<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Blaenwern</author>
<hymn_number>740</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 He ! ny tany manontolo
 Mba ambinonao, ao izao,
 Ry Jeso Mpanolokolo,
 Tena Tompo tsy mandao,
 Mba vontosy andon'aina
 Mba ho lonaka tokoa,
 Tsy ho tany karankaina
 Fa ho vokatra tokoa.

[V2]
 Mba tahio ny fanjakana
 Izay mitondra anay izao
 Ireo mpitana ny lalàna
 Mba omeo ny hevitrao.
 Ny mpifehy isan-toko,
 Ny mpikarakara izao
 Anehoy ilay vokovoko
 Mba hitondra marina ao.

[V3]
 Ny komity sy voamiera
 Raha miady hevitra ao
 Tsy hitompo hevi-tena
 Fa handray ny sitrakao
 Ka ny didinao hatrany
 No mba hijoroany izao
 Fa ny tetiky ny tany
 Dia ho laviny tokoa.

[V4]
 Ry Mpanjakan'ny mpanjaka,
 Miasà mahery izao
 Ireo mpitondra samihafa
 Mba toroy ny sitrakao.
 Ireo mpanjaka an-tany hafa,
 Revon-diadema koa,
 Mba sintony re hitafa
 Aminao ry Tompo soa.</lyrics>
<title>He! Ny tany manontolo FFPM740</title>
</song>